|
|
|
|

Entry1  Ny rivotra an-kadilanana
Elementary words  2 rivotra, 3 hadilanana
Part of speech  4  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5  Literature: poems
Author  6 Razafiniaina Charlotte
Text  7  Ny rivotra an-kadilanana, hono, miady fo samy ho any, ka ririnin-dava mandavan-taona, manenda-damba ny mitavoravora.E! ry rivotra, sarotim-panina ka manai-bovoka mandry, mampiriotra fako mifitsaka.

8  Setrasetra mba tian-katao ve, hono, sa zafikelin' Andrangoloaka ka tsy afaka amin' ny kao-drazana ? Lozan' ny be rimorimo anefa, hono, raha ditsoky ny vovoka nafafiny ny mason' ny tsy manan-tsiny!

9  Setriny

10  Rivotra aho ka rivotra.An-tanimarina aho, manao ranomandry;an-tendrombohitra aho, manao manga rivotra;am-pihoarana aho manao rarangy tsy miato.Sady aina aho no fahafatesana.Eny an-tendron' elatry ny fikopaka no anaterako tsioka manafosafo ny endrika mivoa-dinitra, fa ny ranomasina lalovako koa no mihotakotakahatrany amin' ny fanambaniny.Hilaozako dimy minitra ve ny tany? Dia fahafatesana no anaran-tokana hilazana izao tontolo izao.Kao-drazana tsy azo avela ny anay, ka raha maso mataho-ditsoka, dia ny verimaso no ataovy marevaka, fa raha sima no mianala:miantsinanana voky rivotra, miankandrefana manahy lela.


Updated on 2025/11/17